Misy raha ao

Federasiona Malagasy Atletisma : Niatrika fifaninanana iraisam-pirenena sivy tamin’ity taona ity

Samedi 31 Décembre 2011

Nanomboka tamin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika taranja Cross Country natao tany Cape Town Afrika Atsimo, ny fiandohan’ny volana marsa lasa ateo, ary nifarana ny volana septambra tamin’ny alalan’ny lalao afrikanina tatsy Mozambika ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena teo amin’ny taranja atletisma.

Teo anelanelan’ireo dia nahitana solontena malagasy avokoa ny « meeting international » tany Réduit Maorisy, ny 17 avrily sy ny « meeting international de la Réunion » telo andro taorian’io.
Niavaka tamin’ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasy atletisma ihany koa ny lalaon’ny Nosy tany Seychelles ny fiandohan’ny volana aogositra sy ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany andiany faha-13 natao tany Daegu Korea Atsimo.

Nandray anjara tamin’ny tompondakan’i Afrika sokajy junior tany Botsoana sy sokajy cadet tany Namibia ary ny tompondaka eran-tany sokajy cadet tany Frantsa ihany koa isika tamin’ity taona ity. Ankoatra ireo dia nanamarika ity taona hivalona ity ihany koa ny fisokafan’ny foibem-piofanana etsy Alarobia indray ka atleta roa no nahazo vatsim-pianarana tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa ho an’ny tanora na ny Confejes dia i Djaovazaha Philippe nankany Maorisy sy i Reste Riri nihazo an’i Eldoret Kenya.

Andry L.
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar