Misy raha ao

Fenoarivo : Zandary bemôtô mpiaro ny Filoha, nivarina an-tanimbary

Mercredi 20 Juillet 2011

Hatramin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola mahatsiaro tena ny zandary iray mpitondra irony bemôtô mpiaro ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita irony izay tra-doza teny Fenoarivo raha nikasa hihazo ny renivohitra.

Omaly tolakandro no niseho ny loza ary tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany no tonga teny amin’ny hopitaly Hjra ity zandary niharan-doza.

« Avy nanao fanazaran-tena tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny izahay. Niala fiara mpitatitra nijanona io namany io dia nifatratra tany an-tanimbary. Tsy mbola fantatra izay voa aminy aloha hatreto fa izy tsy mahatsiaro tena io », hoy ireo zandary mpitondra bemôtô naman’ity niharan-doza ity.

Nivoaka rà ny orony sy ny sofiny roa. 15 na 20 mn nahatongavany tao amin’ny hopitaly dia tsy mbola noesorina ilay aroloha fotsy nanaovany. Noesorina avokoa ny akanjo sy izay nanelingelina tamin’ny famonjena. Minitra vitsy taorian’izay dia vory avokoa ireo dokotera mpamelona aina tao amin’ny hopitaly Hjra nandray an-tànana ity zandary ity.

Taorian’ny fizahana azy teny amin’ny Hjra dia nafindra eny amin’ny hopitaly Soavinandriana izy. « Handalo fizahana amin’ny « scanner » izy eny no sady amin’ny maha miaramila azy dia eny ihany koa no hanarahany fitsaboana », hoy ireo mpitsabo teny amin’ny Hjra. Tsy niova anefa ny toe-batany fa mbola tsy nahatsiaro tena ihany. Araka ny voalazan’ireo nahita azy dia voa mafy ity zandary ity ary atahorana mihitsy ny ainy.

Faralala
Vola Rasoamanana

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar