Misy raha ao

Fiara nifandona teny ambatomirahavavy : Olona telo maty, iray hafa mbola tsy mahatsiaro tena

Mercredi 17 Août 2011

source photo : lexpressdemada.com
source photo : lexpressdemada.com
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga teny Ambatomirahavavy, ny alahady tolakandro tokony ho tamin’ny 2 ora fiara kamiao Tata sy Mercedes 409 no nifandona.

Olona roa no maty teo no ho eo ary iray kosa teny amin’ny hopitaly no namoy ny ainy, omaly maraina.

"Avy any Arivonimamo andeha hiakatra ilay kamiao. Ilay fiara Mercedes kosa avy aty an-drenivohitra nikasa hihazo an’Imerintsiatosika. Vokatry ny fandehanan’ity farany mafy no voalaza fa nitarika ny fifandonana teo amin’ireo fiara roa. Olona 23 no maratra mafy ka ny iray tsy mbola mahatsiaro tena hatramin’izao", hoy ny avy amin’ny zandary.

Araka ny loharanom-baovao ihany dia isan’ireo mpamily an’ireo fiara roa ireo. Ankoatra izay dia naratra daholo ihany koa ireo olona telo tao anatin’ilay kamiao.

"Andeha hijery fampisehoan’ny tarika Ambondrona tao Imeritsiatosika ireo tanora maromaro nentin’ilay fiara Marcedes ireo", hoy kosa ny fianakavian’ireo maty sasany teny amin’ny tranom-pokonom-patin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona afak’omaly.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar