Misy raha ao

Fihaonana-ankazobe : Nifampitifitra ny zandary sy ny dahalo

Mercredi 11 Mai 2011

Omby 16 tamina tokantrano roa ao amin’ny fokontanin’Ambohiboahangy, kaominina Ampanitokana no indray lasan’ny dahalo ny alahady 8 mey tamin’ny 8 ora sy sasany alina.

Enin-dahy ireto dahalo nanafika ireo, izay nirongo basy lava iray sy fitaovna maranitra isan-karazany. Nanara-dia avy hatrany ny zandary dimy avy ao amin’ny paositra Ambohimiadana sy ny fokonolona tamin’ny 11 ora alina.

Tratra teny an-dalana ihany ireo dahalo ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny toerana antsoina hoe : Tranokambana, efa any amin’ny kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe. « Omby folo no azo tamin’io fifandonana io. Nanohy ny diany nianavaratra ireto olon-dratsy.

Nefa mbola notohizana ny fanarahan-dia ka nanao tongotra an-katoka ireo dahalo. Avotra avokoa ireo omby 16 izay efa tafaverina any amin’ny tompony », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimaria.

B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar