Misy raha ao

Fikatsoan’ny raharaham-pitsarana : Voarohirohy hatramin’ny 700 no hiakatra Fitsarana

Mardi 20 Décembre 2011

Olona 600 ka hatramin’ny 700, araka ny fanambarana nataon’ny jeneraly Ravalomanana Richard, lehiben’ny Emmofar omaly no tsy maintsy hatolotry ny polisy sy ny zandary ny Fitsarana anio alatsinainy.

Efa dila mantsy ny fotoana ahafahan’izy ireo mitana ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha samihafa eo am-pelantanany. Ny fitokonan’ireo mpitsara noho ilay raharaha tany Toliara no nahatonga izao fikatsoana izao.

Voakasika amin’ireo raharaha mahavoasingotra ireo olona voarohirohy ireo ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Antsirabe, Ambatolampy, Arivonimamo, Miarinarivo, Ankazobe ary Tsiroanomandidy.

« 48 ora ihany no voalazan’ ny lalana, ahafahanay mitana ireo olona ireo. Efa mandika ny lalàna manan-kery izahay ary manitsakitsaka ny zon’ireo olona ireo raha mbola minia mitana azy ireo. Misy anefa valo andro no nahavoatana azy », hoy ny jly Ravalomanana Richard.

Raha ny nambarany dia « vanim-potoana sarotra ho an’ny filaminana ity herinandro mitsidika ity, indrindra raha mbola manohy ny fitokonany ny mpitsara ». « Na ny olona notanana vonjimaika am-ponja (mandat de dépôt) ko aza, fe-potoana enim-bolana ihany no azo itanana azy », hoy ihany ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria eto Antananarivo.

Etsy andanin’izay hatramin’ny nahasamborana ny andian-jiolahy nanafika sy namono nahafaty olona teny Faralaza-Talatamaty dia mba nilamindamina ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina, hoy ihany ny mpitandro ny filaminana.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar