Misy raha ao

Fikomiana tao Antsirabe II : Olona efatra voatifitra

Samedi 21 Janvier 2012

Zandary telo naratra, olon-tsotra efatra voatifitra. Ireo no vokatr’ilay savorovoro niseho tao amin’ny kaominina Soanindrariny, distrikan’Antsirabe II, ny alarobia 18 janoary lasa teo.

Noendahin’ny jiolahy telo lahy tamin’ny 6 ora sy sasany maraina ny mpivarotra ambongadiny ao Ampitamalama, izay saika handeha hividy entana any Antsirabe. « Lasan’izy ireo ny vola Ar 11 tapitrisa taty amiko sy ny môtôko », hoy ilay mpivarotra. Naratra be ilay voaendaka fa mbola afaka niantso vonjy, ka nanara-dia ireo olon-dratsy sy ny fokonolona. Vetivety dia tratra tao an-tampon-tanànan’i Soanindrariny ny iray. Io no nanoro ny namany roa hafa sy ny toerana misy ilay môtô.

Fitsaram-bahoaka

Efa hovonoin’ny olona ireo jiolahy, izay tsy neken’izy ireo hatolotra ny zandary, saingy nalaky tonga nanelanelana ny Ben’ny tanàna. Nohadohadian’ny zandary tany Sahanivotry ireo olon-dratsy.
Ny tolakandron’io alarobia io dia efa nisy andian’olona niandry ny fiverenan’ireo zandary tao Antaninkatsaka. Mbola nitaky fitsaram-bahoaka ihany ny fokonolona. Nandamina ny zandary, saingy tora-bato no nasetrin’izy ireo izany. « Naratra ny zandary telo. Naheno ny korontana ny zandary 5 hafa miasa tamina toerana tsy mifanalavitra ka voatery nitifitra. Nahavoa olona 2 teo amin’ny kibony sy 2 hafa teo amin’ny tongony ny balan’izy ireo », hoy ny nahita maso.

Angola Ny Avo/B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar