Misy raha ao

Halatra fiara : Tratra tany Ambatolampy ny mpangalatra Mazda

Lundi 11 Avril 2011

Halatra fiara : Tratra tany Ambatolampy ny mpangalatra Mazda
Saron’ny mpitandro ny filaminana ny tambazotra iray Mazda.

Mpiambina iray ao amin’ny sampandraharahan’ny Asa Vaventy sy mpanamboatra fiara roa no nosamborin’ny mpitandro filaminana tamin’ny alakamisy 7 avrily teo tany Ambatolampy, faritra Vakinan-karatra. Halatra fiara Mazda nitranga tany Andranolahitsy, Ambohitrimanjaka, ny 29 janoary 2011 lasa teo, no antony nisamborana azy ireo.

Lehilahy iray, tamina halatra môtô, ary efa naiditra am-ponja teny Antanimora no niaiky ny nanafenany ity kodia-droa misy môtera ity tany Ambatolampy. Saron tany ihany koa avy eo ilay fiara Mazda nisy nagalatra tany Andranomahitsy, ka niafara tamin’ny fisamboranan ireo telo lahy nosamborina ireo.

Hatolotra ny Fampanoavana anio alatsinainy izy efa-dahy ireo, hahazoana manao fanadihadiana lalindalina kokoa. Isan’ny halatra niroborobo sy nahazo vahana teto amintsika ity resaka faira Mazda ity. Ho an’ity sarona tany Ambatolampy ity dia efa voaloko sy novaina ny kojakoja tamin’ny fiara. Ahiana ho tambazotra amin’ny halatra môtô ihany koa anefa ity tratra tany an-toerana ity.
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar