Misy raha ao

Handalo any La Réunion : Handao an’i Madagasikara rahampitso ny afon’ny lalao

Jeudi 16 Juin 2011

Handalo any La Réunion : Handao an’i Madagasikara rahampitso ny afon’ny lalao
Rahampitso vao tena hikatona tanteraka ny Lalaon’ny Nosy andiany fahafito, izay noraisintsika tamin’ny 2007.

Hanainga eny Ivato ary handalo an’i La Réunion aloha, satria izy ireo no handray ny andiany fahasivy hatao amin’ny taona 2015, vao ho any Seychelles ny afon’ny Lalaon’ny Nosy, izay notanantsika teto nandritra ny dimy taona teo ho eo.

Lanonambe makotrokotroka no hokarakarain’ny Komity olympika malagasy (Kom) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena amin’ny fandefasana azy.

Ireto atleta kalaza fahiny hiarahan’izy ireo miasa amin’ny Amao (fikambanan’ireo atleta niatrika lalao olympika), no hifandimby hitondra izany, miala etsy Mahamasina mankeny Ivato, raha tsy misy fiovana. Io no nambaran’ny filohan’ny Kom, Siteny Randrianasoloniaiko, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony.

Hitety tanàna maro kosa izany any Seychelles, araka ny fandaharam-potoana nofaritan’ny kaomisera jeneralin’ny lalao, Eric Arnephie, nandritra ny fivorian’ny Komity iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ) faramparany tany Mahé.

Isan’ireo tanàna hoteteziny ary hanaovana lanonambe i Mahé, Praslin, La Digue ary Silhouette. Amin’ny 5-14 aogositra ho avy izao no hanaovana ny lalao ao Mahé ary efa tokony hiafarana anio ny fanamafisana ny fandraisana anjara miaraka amin’ny anaran’ireo atleta.

R.A

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar