Misy raha ao

Hazakazaka anaty natiora : Hianika an’Angavokely ny Utop andiany fahefatra

Lundi 30 Janvier 2012

Hazakazaka anaty natiora : Hianika an’Angavokely ny Utop andiany fahefatra
Nasiam-panovana kely, tsy nitovy tamin’ireo lalana nizorana teo aloha, ny lalana ho an’ny andiany fahefatra ho an’ny Ultra Trail des O plateau (Utop) na hazakazaka any anaty natiora.

Hazakazaka anaty natiora : Hianika an’Angavokely ny Utop andiany fahefatra
Hampianihana an’Angovokely ireo mpifanandrina, izay heverin’ny mpikarakara fa hahatratra 450 amin’ity taona ity. Tamin’ny herintaona dia nihodina izany, saingy notazonina ihany ny halaviran-dalana 120 km mampitohy an’Antananarivo amin’i Mantasoa (mandroso sy miverina). « Kendrena hiakatra hatrany ny isan’ireo mpandray anjara amin’ity. Tamin’ny taona 2009 dia 35 ireo mpihakazakaza. Niakatra ho 150 izany tamin’ny taona 2010 raha 250 ny farany teo », hoy i Daniel Peniez, voafidy hitantana indray ny fikambanana Utop amin’ity taona ity.

Mbola hiainga etsy amin’ny Lycée Français Ambatobe amin’ny sabotsy 5 mey amin’ny 00 ora 00 ihany anefa ny fifaninanana ary hifarana ny alahady 6 mey amin’ny 1 ora eny an-toerana rehefa avy mankany Mantasoa. Toy ny teo aloha ihany anefa dia noferana ho ao anatin’ny 36 ora ny famitana an’ity hazakazaka ity amin’io. « Mahatratra 15 ireo firenena hanana solontena amin’ity fifaninanana ity », hoy ihany ny mpikarakara.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar