Misy raha ao

Herisetra amin’ny ankizy Hita omaly Ikalaneny, ilay zaza 7 taona narian-drainy

Jeudi 21 Juillet 2011

Hita omaly teny amin’ny BMH, eny Isotry ihany Ikalaneny na Razafintsalama Clairmoyance, zazavevikely vao 7 taona, anabavin’i Heritiana, ilay zana-bady, maty nokendain’ny raikeliny tamin’ny alarobia 13 jolay teo.

Noho ny tsy fisian’ny fitarainana napetraky ny renin’Ikalaneny dia tsy nisy nahalala fa karohina izy. Natoky loatra ny reniny fa tsy hamono azy ny rainy, satria tena zanany naterany izy io. Mbola sahirana nandevina an’i Heritiana rahateo ry zareo.

Araka ny fitantaran’ity zaza ity dia nahita maro ny namonoan-drainy ilay zokiny izy ary efa nampiasan’ny rainy herisetra rahateo koa. Misy diana fanakendana amin’ny tendany. Maratra, ohatra ny notrobarana zava-maranitra la menamena ny masony iray. Misy ratra ny tongony.

« Nodorany tamin’ny « briquet » ny tanako. Nandramany nokendaina aho, fa efa mamo sy mifoka sigara izy amin’io », hoy ny fitantaran’ilay zaza. Nila fanampiana tamin’ny Sendikan’ny matihanina amin’ny asa sosialy (SPDTS) ny fianakaviana, ka ny tambajotrany no nahitana fa ao amin’ny BMH ity zaza ity.

« Nitsoaka ny dadanay rehefa avy nampijaly ahy. Nisy olona nanatitra ahy taty », hoy ihany fitantarany nahatonga azy tao amin’ny BMH. Hiakatra Fitsarana amin’ny 17 aogositra moa ity raharaha ity ary efa miandry any am-ponja ilay raim-pianakaviana tsy mifaditrovana.

Barphil Andriantsiferanarivo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar