Misy raha ao

Herisetra : tovolahy maty voatsindrona antsy teny andranomanalina

Lundi 31 Janvier 2011

Maty omaly alina teny amin’ny Hjra ilay tovolahy voatsatoka antsy teny Andranomanalina Isotry , tapabolana lasa izay. Avy niandry faty, handeha hody any an- tranony teny andranomanalina Isotry ity tovolahy iray vao 21 taona, tamin’ny 9ora alina tamin’io andro io.



Nifanehitra tamin’ny jiolahim- boto roa izy teny an- dalana, izay niomana ny hanendaka azy. « Avy hatrany dia voaendaka ny finday teny aminy sy ny vola tany am- posiny », hoy ny fitantaran’ny iray tampo aminy. « Mbola saiky hanala ny kirarony koa ilay olon- dratsy fa tsy nekeny ka nanohitra mafy izy. Tsy nampoiziny fa avy dia notsatohan’ny ilay jiolahy tamin’ny antsy ny kibony. Nitolefika izy ka ny olona sendra nandalo no namonjy azy teny amin’ny hopitaly », hoy ihany ity havany.

« fanomezana avy any amin’ny rainy, izay efa maty mantsy ilay kiraro, ka izay no niarovany zay mafy tamin’ireto mpanendaka », hoy ny fanazavana azo. Niady mafy tamin’ny fahafatesana izy tao anatin’ny tapa- bolana. Efa niala nenina ny fianakaviana nitsabo. Nahazo ny faritra mahafaty tao amin’ny kibony ilay antsy ka tsy namela nivalo. Maty omaly ary halevina rahampitso alahady any amin’ny faritra Antsirabe any ity zatovolahy ity, izay faralahy amin’ny zaza telo mianadahy iray tampo.

B.A./S.A.
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar