Misy raha ao

Hetsika ara-pilazantsara : Pasitera maty nipoahan’ny afomanga

Jeudi 9 Juin 2011

Fanasitranana sy fahagagana ary fananganana ny tena amin’ny maty mihitsy aza no tanjona tamin’ny hetsika ara-pilazantsara...

...nokarakarain’ny vondrom-bavaka iray tao amin’ny kianjan’i Tsarasaotra Antsirabe, saingy fahafatesana no hita.

Nipoahana karazana afomanga mantsy ny pasitera iray, izay vao 31 taona monja, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

« Vao avy nirehitra mihitsy ilay afomanga dia niparitaka taminy ka potipotika ny tarehiny sy ny tanany », hoy ny fitantaran’ny mpivavaka iray nahita ny zava-nisy. Tsy nahatsiaro tena ilay pasitera ka noezahina naterina tany amin’ny hopitaly tsy miankina iray ao an-toerana, saingy tsy tana intsony ny ainy.

Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso ity hetsika ara-pivavahana notanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 jona teo ity dia misy hatrany ny fanapoahana afomanga ho famaranana ny fotoam-bavaka iarahan’izy ireo.

Tsy nisy olana izany nandritra ny roa andro voalohany asingy tamin’ny andro farany dia izao namoa-tsampona izao. Pasitera, mpiandraikitra ny lafiny ara-pitaovana ity niharam-boina ity. « Natao indrindra ho fampandrenesana ny marenina sy fampahitana ny jamba no nokendrena tamin’izany », hoy ny mpino iray.

Nilaza ny pasitera iray, isan’ireo tompon’andraikitr’ity vondrom-bavaka ao Antsirabe ity fa efa nampoizin’ity namoy ny ainy mialoha io tranga io. « Nangataka ny halaina sary farany izy nandritra ny toriteniny tamin’io andro io. Tranga izay tena nahagaga sy nanaitra any », hoy izy nitantara.

Angola Ny Avo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar