Misy raha ao

Hihaona amin’i Guinee : Nantsoina hanatevina ny Barea i Tita Adema

Vendredi 25 Mars 2011

Tojoniaina Rajaonarison na i Tita source photo tananalife.com
Tojoniaina Rajaonarison na i Tita source photo tananalife.com
Taorian’ny zava-bitan’ny AS Adema tany Mozambika sy Afrika Atsimo, dia mihevitra ny hanampy mpilalao avy ao amin’izy ireo ny mpanazatra nasionaly, Mosa, amin’ny fiatrehana an’i Guinée.

Isan’ireo mpilalao efa nantsoina i Tojoniaina Rajaonarison na i Tita, izay irakirak’ity ekipan’ny seranam-piaramanidina ity.

Ankoatra azy ihany koa dia hijery akaiky ny lalaon’i Sarivo Karl na i Godfreeze, mpiandry tsatokazon’ny Adema, ihany koa izy. « azo heverina hanafapo ny zava-bita’ireo mpilalao sahy niady mafy tany an-tanin’olona ireo. Htreto aloha dia mbola tsy voafatra tsara ny anran’ire mpilalao 18 hiady amin’ny Syli National gineanina. Miankina amin’ny fahaizana asehon’ireo mpilalao tsirairay amin’izao izany », hoy i Mosa.

« tanjoany ny hanome sary tsara ny mpilalao malagasy mandritra io lalao io », hoy i Pascal Razakanantenaina na i Bapasy, mpialalaon’ny AC Avion any Frantsa, napetraka ho kapitenin’ny Barea zokony. Miankina amin’ny fisainan’ny rehetra mahatsiaro ho tompon’andraikitra anefa izany. Ho an’ny mpilalao dia tokony hanao tsara ny asany izy ireo. Toy izany ihany koa ny mpanazatra sy ny federasiona ary ireo rafitra rehetra misahana azy. Eo ihany koa ny mpijery izay efa manomboka mamerina ny hasin’ny baolina kitra amin’izao fatoana izao.


Isan’ireo mbola mitatao amin’ny Mahamasina ny sazy mihantona taoria’ny toraka tavoahangy tamin’ny lalaontsika sy Etiopia. « iangaviana an-tanan-droa isika rehetra mba hampiseho firaisankiana amin’io lalao io, satria ny mitabe tsy lanin’ny mamba », araka ny nanambaran’i Bapasy ihany.

Roméo Andriamihaja


N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar