Misy raha ao

IVATO : Gasy tratra nanondrana sokatra 95 isa

Lundi 6 Décembre 2010

IVATO : Gasy tratra nanondrana sokatra 95 isa
Zana-tsokatra 95 no saika haondrana teratany malagasy ho any Bangkok. Iny handeha hiakatra fiaramanidina iny mihitsy izy, omaly, no tratra niaraka tamin’ny valizy feno ireto biby voaaro ireto.
« Efa nisy ny fampitam-baovao azonay mikasika ity raharaha ity. Nampilazana avokoa ny tompon’andraikitra rehetra amin’ny fisavana tety amin’ny seranam-piaramanidina. Nahavariana anefa fa mbola afaka ihany ilay olona na dia nandalo « scanner » aza. Teny amin’ny « piste » vao nosamborina », hoy ny loharanom-baovao avy any amin’ny tompon’andraikitra iray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
Nofonosana tsara tao anaty gazety ireo zana-tsokatra. Tsy misy ahafantarana azy mihitsy avy ety ivelany araka ny voalazan’ity loharanom-baovao ity. Fanondranana an-tsokosoko biby voaaro no vesatra miandry ity teratany malagasy ity. « Vola be an-tapitrisany maro no tokony haloany amin’io na sazy mihatra an-tranomaizina roa kahatramin’ny telo taona, raha ny voalaza ao anaty lalàna. Na izany aza ny famotorana no ahalalana ny tena marina ka ny Fitsarana ny tompon’ny teny farany sy mamoaka didy », hoy ihany ity tompon’andraikitra ity.
Mikasika ireo biby tratra ireto indray dia voalaza fa hatolotra ny minisiteran’ny Tontolo iainana manontolo izy ireo. « Ny minisiteran’ny Tontolo iainana no manapaka izay tokony hasiana ireo biby ireo, arakaraka ny fanadihadian’ny teknisianin’izy ireo ». Volana vitsy lasa izay dia efa nisy tranga tahaka izao ihany koa teny Ivato, saingy teratany vahiny no voakasik’izany. Naloan’izy ireo ny vola saziny dia afaka nody izy ireo.


Faralala
Ginette Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar