Misy raha ao

Iavoloha : Taksibe notoforin’ny mpiambina ny Filoha

Mercredi 3 Août 2011

Voatery nitifitra intelo ny mpiambina ny lalana arahin’ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita omaly maraina teny Fiadanamanga, teo amin’ny toerana fijanonan’ny taksibe mankany Ambatofotsy, amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny.

Nitondra mpandeha sady fenofeno ihany ilay taksibe tamin’ny fotoana nisehoan’ity tranga omaly ity. Soa fa tsy dia nandeha mafy ity fiara mpitatitra sady ny kodiarana ihany koa no niantefan’ny bala ka tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra.

« Nandre feom-basy intelo aho, taloha kelin’ny fandalovan’ny fiaran’ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, aninkeo maraina. Ilay taksibe efa vaky kodiarana no hitako avy eo », hoy i Mialy, mpivarotra fahana sy antso an-telefaonina teo akaiky io toerana io.

« Araka ny reko dia efa nandrara ilay taksibe amin’ny zotra F hijanona ny mpiambina iray, satria efa akaiky ny laharan’ny fiarakodia mitondra ny Filoha Andry Rajoelina. Toa tsy niraharaha izany anefa ilay mpamily. Toa nandefa azy handeha koa ny mpiambina iray, tamin’ireo roa niaraka tamin’io toerana io », hoy ihany izy.

Nanamafy ny vaovao ny teny amin’ny fiadidiana ny prezidansa, ka nanambara fa « fandavana ny baiko nomena no nahatonga ny mpiambina nitifitra. Tsy nisy ny naratra fa ilay kodiarana no potika », hoy io loharanom-baovao io.

Nidina nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny Borigadin’ny Zandarimaria Andoharanofotsy. « Mbola tsy nifarana ny fanadihadiana nataonay. Rehefa vita any amin-dry zareo lehibenay ny fanadihadiana dia any no hahazoanareo ny tena fandehany », hoy fotsiny ny nambaran’ny zandary nanao ny fanadihadiana.

Barphil Andriantsiferanarivo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar