Misy raha ao

Ifanadiana : Olona 5 voasambotra, ahiana namono mpitrandraka vato

Mercredi 8 Juin 2011

Ifanadiana : Olona 5 voasambotra, ahiana namono mpitrandraka vato
Notifirina an-kitsirano tamin’ny basy fohy PA 22 long rifle ny mpitrandraka vatosoa iray, 34 taona antsoina hoe Ramamy, ka maty teo no ho eo ny harivan’ny 2 jona lasa teo, tao amin’ny kaominina Antaretra, ao amin’ny distrikan’Ifanadiana, any Vatovavy Fitovinany.

Nahazo fahazoan-dalana hitrandraka vatosoa tao amin’ny toerana iray ny rahalahin-dRamamy, roa volana lasa izay. Nanao fitsirihana andrana ry zareo tamin’ny volana mey. Nifampiraharaha tamin’ny tompon’ity toerana ity, izay mpanao vato fanta-daza eto an-drenivohitra ry zareo.

Milaza ho tompon’ny toerana anefa ny mpitandraka harena an-kibon’ny tany iray ao Mananjary, ka natsahatry ny manampahefana ny fitrandrahana tao anatin’ny 10 andro, mba hijerena ny marina. « Voaporofo fa marina ny nambaran-dry Ramamy mirahalahy, ka nirotsaka, nanohy ny asany ry zareo », hoy fianakaviana akaiky ny maty.

Ny 2 jona teo anefa, dia nidina tany an-toerana ny sampan-draharaha mpitsirika ny resaka harena an-kibon’ny tany, izay voalaza fa nampitsahatra avy hatrany ny fitrandrahana. Teo no nisy ny fikasihan-tanana voalohany nahazo an-dRamamy.

Taorian’izay dia nisy olona namahana basy sady nandroaka azy handeha. Tsy lavitra teo, dia nisy mpiasan’ilay mpitrandraka avy ao Mananjara nijanona tao anaty fiara Mazda, ka fantatra fa ny iray tamin’izy ireo no nitifitra an-dRamamy teo amin’ny orony.

Maty tsy tra-drano ity farany ary tavela tao amin’ny hatony ny bala namono azy. Tonga dia nandositra kosa iretsy nitifitra. Nandray andraikitra avy hatrany sy nanome baiko hisamborana azy ireo ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria any Vatovavy Fitovinany, izay teny an-toerana koa tamin’io fotoana io. Vokany, voasambotra ny dimy lahy sy ny fitaovam-piadiana nampiasainy.

Nampitony ireo mpikambana ao amin’ny fitrandrahana vatosoa ny lehiben’ny faritra Matsiatra Ambony. Ny atahoran’ireto mpitrandraka vatosoa dia efa nisy raharaha toy izao nataon’ilay mpanefoefo, nampiasa hery tamin’ny toeram-pitrandrahana iray, taona vitsy lasa izay, kanefa tsy nisy tohiny hatramin’izao.

B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar