Misy raha ao

Itaosy : Akoholahy mpiady 27 indray nanjavona

Samedi 25 Juin 2011

Itaosy : Akoholahy mpiady 27 indray nanjavona
Toa lasa fanao indray tao ho ao ny managalatra akoholahy mpihady. Saika niakatra fitsarana mihitsy ity tranga iray teny Itaosy ity.

Ankoholahy mpiady miisa 27, fananana miaramila misotro ronono iray no nisy nangalatra. Tsy avy hantrany anefa izy dia nametraka fitoriana fa nanao samirery ny fikarohana izay nangalatra ireo akohony. Tratrany teny Anosibe ny olona iray nivarotra ny ampahany tamin’izany. Nametraka fitoriana haingana tamin’ny manam-pahefana izy ny 20 jona teo, hahazoana manokatra ny famotorana.

Nibaribary teo fa olona akaiky ilay miaramila misotro ronono, ary ao anatin’ny fianakaviany mihitsy ilay tena nanao ny fisamborana ity voarohirohy ity dia mbola niziriziry, tsy nety nanao fifampiraharahana izy.

Ny fanoloana ireo akoholahy mpiady ihany anefa no notakian’ny tompon’akoho. Efa hoentina eo anatrehan’ny Fitsarana ny raharaha vao nikoropaka ilay voarohirohy ary nanaiky nandoa ny vidin’ireo akoho ihany. « Tsy sarotiny izahay mpitandro filaminana rehefa mifanaraka ny roa tonta », hoy ny manamboninahitra ao amin’ny polisy nanaony famotorana.

Mahatratra 300 000 ariary ka hatramin’ny 600 000 ariary ny vidin’ny akoholahy mpiady iray. Rehefa ampiadiana ny akoholahy mpiady iray dia mbola mety hahazoa,na 3 tapitrisa iriary na mahery aza.

B.A

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar