Misy raha ao

Ivato : Nipotsaka tsinay ilay mpiambina seranana

Mercredi 18 Mai 2011

Afak’omaly tokony ho tamin’ny 12 antoandro no hita maty tao amin’ny toerana fiasany eny amin’ny seranam-piaramanidina iray.

Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana azy. Mpanara-maso ireo mpiambina roa no voatana atao famotorana ankehitriny.

« Loaka teo amin’ny takibany havanana ka nipotsaka mihitsy ny tsinainy. Trobaky ny sabatra ihany koa teo amin’ny handriny. Ireo no ratra hita tamin’ity lehilahy vao 26 taona ity tamin’io alahady maraina io. Mbola nahitana Baiboly teo amin’ny toerana fipetrahany.

Nisy taratasy toa fampitahorana ihany koa teo akaikin’ny maty. Hatramin’izao anefa tsy mbola nisy zavatra tsikaritra very », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary.

Fanindroany izao no nisy nanafika ireo mpiambina ity toerana misy ireo fiaramanidina kely maromaro sy helikoptera roa, an’ny miaramila, eny Ivato ity. Tamin’ny zoma alina ny voalohany ary tonga nitaraina teny amin’ny zandary ireo mpiambina.

Nisy ny filazan’ny zandary tamin’ireo mpanara-maso ireto mpiambina ireto, fa tokony hohamafisina ny fiambenana ilay toerana. Nisy mihitsy mantsy ny naratra tamin’io fotoana io.

Ny alahady anefa dia ilay mpiambina maty irery no niambina ilay toerana. Mbola nahitana akanjo feno rà ihany koa teo akaikin’ny razana. « Eo am-panaovana famotorana izahay izao ary izay no antony hitanana vonjimaika ireo mpanara-maso roa hanaovana famotorana », hoy ihany ny loharanom-bavao.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar