Misy raha ao

Kamiao nifaoka mazda : Olona 13 naratra mafy, nandritra ny 30 minitra tsy nisy nety nitondra ireo naratra

Vendredi 15 Avril 2011

Tapa-tongotra, vaky loha, tapa-pe, ireo no santionany tamin’ny ratra nahazo ireo olona 13 tao anatin’ny fiara Mazda iray avy any Ambatolampy, omaly teny Avaratsena-Amboanjobe.

Lehilahy iray nipetraka teo anoloana no atahorana ny ainy, raha hita omaly fa mbola eo am-pitsaboana tanteraka ny mpitsabo.

« Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina no nitranga ny loza. Nandeha mafy avy any andrenivohitra ilay kamiao lavabe. Ilay Mazda kosa hiakatra. Nikasa ny hiala ilay fiarabe ilay Mazda izay nikasa ny hisongona ny fiara mpitatitra no voadona ilay kamiao », hoy ny fitantaran’i Hery Andriamiraho, filohan’ny fokontany Anjomakely, toerana nitrangan’ny loza.

« Zazakely miaraka amin’ny mpitaiza azy sy vehivavy lehibe iray no hany tsy naratra tamin’ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara Mazda », hoy indray i Randimbison Emmanuel Patrick, mponina eny Anjomakely ihany, ary nahitany fitrangan’ny loza.

Ankoatra izay dia trano fivarotana iray ihany koa no nifatraran’ilay kamiao ka potika tanteraka. Nisy olona tao amin’ilay trano, saingy tsy dia mafy loatra ny ratra nahazo azy. « Nampalahelo ihany ny zava-nitranga taorian’ity loza ity. Somary nanahirana ny fitaterana ireo naratra.

Tsy afa-nandeha mantsy ireo fiara avy any Ambany izany hoe ireo fiara hiakatra ny renivohitra. Ireo fiara andeha hihazo an’Antsirabe araka izany no niangaviana hitondra ireo maratra haingana any amin’ny hopitaly. Nandritra ny 30 minitra teo anefa dia tsy nisy nety nitondra ireo fiara », hoy ihany ny fanamarihan’ilay filoham-pokotany.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar