Misy raha ao

Karaman’ny CT voaroba : Voarohirohy enina any Antanimora, 1 any Tsiafahy

Jeudi 28 Juillet 2011

Samy manao famotorana mikasika ny raharaha nahavery ny volaben’ny Kaongresin’ny tetezamita, ny 20 jolay teo na ny eo anivon’ny polisim-pirenena na ny zandary.

Afak’omaly alina vao vita ny fanolorana ireo olona 12 voarohirohy voatana teny amin’ny polisy, ka ny enina tamin’ireo dia naiditra am-ponja eny Antanimora avokoa. Omaly kosa ny lehilahy iray izay ahiana ho tena ireo jiolahy nandray anjara tamin’ny fanafihana, ka voasambotry ny zandary, no natolotra ny Fitsarana ary efa nalefa eny Tsiafahy.

« Ny zoma teo no nisamborana an’i Lalaina. Ahiana ho isan’ireo jiolahy nanao ny fanafihana mihitsy izy. Mbola tratra tany aminy ny vola 5 tapitrisa ariary isan’ireo vola avy norobainy. Ny 19 jolay izy ireo no efa nanomana iny fanafihana ny mpaka volan’ny kaongresy iny », hoy ny avy amin’ny zandary.

Isan’ireo voatana eny Antanimora ny tompon’ilay fiara Galloper, izay nampiasain’ireo mpanakan-dalana sy nangalatra ireo vola. Voatana koa ny mpanamarin-kaonty roa, ny mpamily ny fiaran’ny CT, ny mpanao irakiraka sy tompon’andraikitra iray izay samy mpiasa ao amin’ny Kaongresin’ny tetezamita avokoa.

Faralala / B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar