Misy raha ao

Kickboxing : Tompondaka eran-tany ny Malagasy

Mardi 24 Mai 2011

Kickboxing : Tompondaka eran-tany ny Malagasy
Miraradraraka ny amboara azon’ireo delegasiona malagasy saika tsy lasa tany Szeged teo amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny kickboxing.

Nosantarin’i Julien Rafaralahisoa teo amin’ny « Light Contact » ho an’ny latsaky ny 57 kg saokajy cadet izany ary mbola nampiany iray ihany koa teo amin’ny sokajy 57 kg.

Tsy nisy nahasakana ity mpikatroka malagasy, izay isan’ireo nikoizana teo amin’ny fifaninanana nifanandrinatsika tamin’i La Réunion farany teo, araka ny tatitra nataon’i Briand Andrianirina, filohan’ny federasiona malagasin’ny Kickboxing. Nanampy ny medaly volamena tamin’ity ny an’i Jean Richard Andrianaivo, teo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg.

Nionona teo amin’ny medaly alimo kosa i Patrice Rakotondratsimba na Rasta, izay voatery nanena lanja ho 63,5 kg tamin’ity noho ny fandresena azony teo amin’ny fihantsiana nihaonany tamin’i Stéphane Rakoto nandritra ny fifantenana.

Medaly volafotsy kosa no azon’i Anigael Gastros teo amin’ny sokajy latsaky 60 kg rehefa nahitsan’i Eduard Mamadove, izay tompondaka farany.

Mbola andrasana kosa ny vokatra eo amin’i Billy, izay tompondakan’i Afrika niaraka tamin’ity farany eo am-piantrehana ny katrokady famaranana amin’izao ora anoratana izao.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar