Misy raha ao

Kickboxing : Vonona i Maorisy, tsy matahotra i Madagasikara

Samedi 17 Septembre 2011

Kickboxing : Vonona i Maorisy, tsy matahotra i Madagasikara
Samy hitady izay hevitra hahazoana ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika eo amin’ny faritra fahefatra i Maorisy sy Madagasikara amin’izao.

Hiatrika ny lalao famaranana ho an’ny kickboxing izy ireo amin’ny alahady ho avy izao.
Isan’ireo andrasana amin’io fihaonana io ny katrok’ady eo amin’i James Agathe sy Jean Aimé, izay eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 81 kg. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika teo amin’ity sokajin-danja ity io mpikatroka maorisianina io. Tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany dia nihintsana teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana izy nanoloana ilay teratany iokranianina, Pavlo Tatarov.

Samy te hisolo tena an’i Afrika faritra fahefatra izy mirahalahy ireo amin’ny « World Grand Prix Mondial », izay handraisan’ny kaontinanta dimy anjara ato ho ato. « Amin’ny 18 desambra ho avy izao no hijerena an’ireo mpikatroka hisolo tena antsika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ity taranja ity », hoy i Briand Andrianirina, filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja kickboxing.

Ankoatra azy ireo dia isan’ireo katrok’ady andrasana ihany koa ny fihaonana eo amin’i Fascone Perrine sy Rasta, izay isan’ireo nahazoan’i Maorisy tapakila hiatrika ny famaranana teo an’i Afrika Atsimo, tamin’ny 30 avrily lasa teo (fotoana nihaonantsika tamin’ny ekipan’i La Réunion). Noferana ho 3 000 ariary ny saram-pidirana amin’ny fijerena ity ady ity.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar