Misy raha ao

Kitra Alfa : Nomontsanin’ny Japan tantraka ny Saint Michel

Samedi 11 Juin 2011

Kitra Alfa : Nomontsanin’ny Japan tantraka ny Saint Michel
Nampiseho hery tanteraka ny Japan Actuel’s tamin’ny lalao faharoa, andro faha-13 ho an’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga eo amin’ny baolina kitra.

Nomontsaniny tamin’ny isa 6 no ho 0 ny ekipan’ny Masindahy Misely, teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina, omaly tolakandro. Ity farany dia efa manakaiky azy ny fidinana any amin’ny diviziona faharoa.

Araka izany dia tanterak’ity ekipan’i Manjakaray ity ny fanamby napetrany, izay hitarika eo amin’ny filaharana vonjimaika. Manana isa 25 izany aloha ry zareo hatreto.

Ny AS Adema kosa no manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa, izay manana isa 23.
Tamin’ny lalao voalohany, natao omaly ihany dia isa 1 no ho 0 kosa no nandavoan’ny Tanà Formation ny ekipan’ny polisim-pirenena.

Laharana fahefatra kosa ny Tana FC amin’ity fifaninanana ity ka ny Ajesaia no mialoha azy ireo amin’ny laharana fahatelo.

Anio kosa dia ekipa enina no hifandona dia i Cosfa sy AS Adema, IFC sy Vesta Team ary Dartline sy Ajesaia.

Tojo Rakotomalala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar