Misy raha ao

Kitra Ambohitrimanjaka : Polisy iray notorian’ny mpikarakara

Samedi 23 Juillet 2011

Kitra Ambohitrimanjaka : Polisy iray notorian’ny mpikarakara
Niteraka savorovoro ny fidirana an-tsehatry ny polisy iray tamin’ny lalao baolina kitra karakarain’ny “As Panther”, ny 2 jolay lasa teo teny Ambohitrimanjaka.

Raha ny fanazavan-dRandriamampionona Arsène, Filohan’ny “As Panther”, dia tsy ao anatin’ny lisitry ny mpilalaon’ny ekipa iray tokony hilalao tamin’io andro io ilay polisy, ary mbola nitondra mpilalao telo hafa ihany koa.

Tsy raikitra hatramin’ny farany ity lalao, tafiditra amin’ny manasa-dalan’ny fifaninanana karakarain’ny “As Panther” ity tamin’io andro io. Saika niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy aza, ka isan’ireo nahazo fandrahonana ny Filoha mpikarakara ny fifaninanana. Nametraka fitoriana ilay polisy teny amin’ny Fampanoavana Randriamampionona Arsène. Omaly ity farany no nalain’ny zandary am-bava teny Ambohitrimanjaka ary tokony hiakatra Fitsarana anio ny raharaha.

Ny alahady ho avy izao kosa no hatao ny lalao famaranana mandroso eny amin’ny kianja Anelotsara Ambohitrimanjaka, ka hifanandrinanan’ny Asot Ambohijanarahy sy ny Mifa Antehiroka eo amin’ny sokajy vehivavy. Ny Manak Ambohitrimanjaka sy ny Fc Poupa Ampanomahitsy kosa no hifandona eo amin’ny sokajy lehilahy.

A R

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar