Misy raha ao

Kitra Nasionaly : Ho fantatra amin’ny herinandro izay mety ho fiovan’ny Barea

Jeudi 5 Janvier 2012

Hodinihina eny anivon’ny fivorian’ny komity mpitantana ny federasiona malagasin’ny taranja baolina kitra, amin’ny 10 janoary ho avy izao, ny ho avin’ny Barean’i Madagasikara.

Aorian’io vao ho fantatra na hosoloina na tsia ny mpanazatra ankehitriny sy ny daty hanombohan’ny fampivondronana ireo mpilalao, izay hiatrika ny fifanintsanana hiatrehana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika na Can 2013.

« Tsy misy fanapahan-kevitra samirery fa hiarahana manapaka eo anivon’ny komity mpitantana ny raharaha rehetra », hoy i Ahmad, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolin akita (FMF). Iray volana sy tapany aorian’io dia efa hampiantrano an’i Cap Vert, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny Barea. Izany hoe ny faran’ny volana febroary ho avy izao, izay tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana amin’ny Can 2013.

« Sarotsarotra ny miandry antsika satria ambony lavitra amintsika ny laharan-dry zareo Capverdianina any amin’ny Fifa », hoy ny fanazavan’i Frank Rajaonarisamba, teknisianina eo anivon’ny kitra. Ny 15 jona kosa no hanaovana ny lalao miverina amin-dry zareo « Les requins bleus » any amin’ny Estadio Da Varzea any Praia, renivohitr’i Cap vert.

Andry L.
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar