Anio izy no tonga eto amintsika. Saika nahatonga solotena avokoa ireo klioba vaventy avy any amin’ny faritra 14 manerana ny Nosy dia Analamanga, Amoron’i Mania, Analanjirofo, Anosy, Atsimo Andrefa, Atsinana, Boeny, Diana, Matsiatra Ambony, Itasy, Melaky, Menabe, Vakinakaratra ary Vatovavy Fitovinany.
Mpanao gazety iray
Isan’ireo hiatrika ity fiofanana ity i Griffine Bakoliniaina, mpanao gazety eo anivon’ny Televisiona nasionaly sady manazatra ny ekipan’ny AF Tamamy avy Analanjirofo. Ho avy hanatevina ny fari-pahaizana ihany koa ireo mpanazatra ny ekipa tompondakan’i Madagasikara (Mifa) sy tompondaka lefitra (AS Comato).
Andry L.