Misy raha ao

Kung-Fu Wushu : ho avy eto amintsika ny filoha lefitry ny CIO

Vendredi 18 Mars 2011

Ny filoha lefitry ny Komity iraisam-pirenena olympika (CIO), Yu Zaiqing, hiakatra ny alina iraisam- pirenen’ny Kung Fu Wushu...
Ny filoha lefitry ny Komity iraisam-pirenena olympika (CIO), Yu Zaiqing, hiakatra ny alina iraisam- pirenen’ny Kung Fu Wushu...
Nasain’ny federasiona malagasin’ny Wushu ho avy eto amintsika, amin’ny 13 mey ho avy izao, ny filoha lefitry ny Komity iraisam-pirenena olympika (CIO), Yu Zaiqing, hiakatra ny alina iraisam- pirenen’ny Kung Fu Wushu.

Io no nambaran’i José Ramaherison na i Maitre Gao, filoha mpitantana ny federasiona malagasy tetsy amin’ny JIM Andrefan’Ambohijanahary omaly. « Ankoatra azy dia betsaka ireo mpikaroka Wushu, efa voahosotra ho tompondaka eran-tany ho avy any koa. Isan’ireo nomena fanasana ihany koa ireo manam-pahaizana manokana ao amin’ny federasiona iraisam-pirenena », hoy ihany Maitre Gao, izay miara-miasa amin’ny Media Consulting amin’ny fikarakarana.

Napetraka ho fandaharam-potoana amin’izany ny katrok’ady fampisehoana handraisan’ireo mpikatroka iraisam-pirenenna sy ireo avy eto amintsika. Hampiasaina ireo karazana fitaovam-piadiana toy ny sabatra sy hazo. Isan’ireo haiady hanao fampisehoana amin’izany ihany koa ny Taekwondo sy ny Taebo. « Zava-dehibe ny handraisantsika ity hetsika goavana iraisam-pirenena ity. Ahafahana mandrefy tsara ny lentan’ireo mpikatroka malagasy izany », hoy ihany izy.
Aorian’io dia handray ny fampiofanana iraisam-pirenena isika amin’ny 7 jolay ho avy izao. Mpikatroka avy amina firenena 30 mahery no andrasana amin’izany. Amin’ny alalan’io fiofanana io no hahafantarana ny anaran’ireo solontena malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, izay hatao any Torkia, amin’ny oktobra ho avy izao.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar