Misy raha ao

Lalao Afrikanina : Tafahoana ny Bafana Bafana sy ny Barea U23

Jeudi 14 Juillet 2011

source photo : http://www.mada-sport.org
source photo : http://www.mada-sport.org
« Azoazo miohatra amin’ny vondrona ankilany no misiy antsika amin’ity », hoy i Franck Rajaonarisamba, mpanazatra ny Barean’i Madagasikara latsaky ny 23 taona…

… izay hiatrika ny lalao Afrikanina hatao any Maputo amin’ny 3-18 septambra ho avy izao. Tafara-bondrona amin’ny ekipan’i Mozambika (mpampiantrano) sy ny Bafana Bafana (Afrika Atsimo) ary ny Libianina isika (Vondrona A) taorian’ny antsapaka natao omaly tany Le Caire (foiben-toeran’ny Caf).

Eo amin’ny vondrona ilany kosa dia hifandona amin’i Sénégal sy Ouganda ary Ghana i Cameroun, izay tompon’ny amboara farany teo amin’ity lalao ity. « Azo heverina fa nitongilanan’ny vintana ihany isika tsy tafahoana tamin’ireo ekipa goavana ireo. Heverinay fa tokony handray anjara isika amin’io satria efa tamin’ny taona 1987 no niatrika io lalao io farany i Madagasikara.

Miankina amin’ny fanamafisana ataon’ny fanjakana ihany anefa izany », hoy ihany ity mpanazatra ny Barea ity.

Roméo Andriamihaja

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar