Misy raha ao

Lalao afrikanina-handball : Nahemotra ny lalaon’i Madagasikara sy Mozambika

Jeudi 8 Septembre 2011

Lalao afrikanina-handball : Nahemotra ny lalaon’i Madagasikara sy Mozambika
Raha tokony omaly dia rahampitso no hanaovana ny lalao hifanandrinan’i Madagasikara sy i Mozambika (mpampiantrano) eoi amin’ny handball sokajy lehilahy.

Ankoatra an’i Mozambika dia i Cameroun, izay hihaona amintsika amin’ny sabotsy izao no mameno ny vondrona ho firenena telo. Eo amin’ny vehivavy indray dia i Nizeria sy Congo no miaraka amin’ny vondrona amintsika.

Azo heverina ho fisehoana goavana indray eo amin’ny lalao afrikanina ny handraisantsika anjara rehefa tsy hita tao anatin’ny 24 taona.

Ny ekipan’i Congo no hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara amin’ny sabotsy ho avy izao eo amin’ny sokajy vehivavy. Ny ampitson’io kosa i Nizeria no mihaona amintsika amin’izany. Noho ny fanohanan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Komity olympika malagasy no nahafahantsika nandray anjara tamin’izany.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar