Misy raha ao

Loza an-dranomasina : Tafakatra 15 ireo namoy ny ainy

Mercredi 31 Août 2011

Loza an-dranomasina : Tafakatra 15 ireo namoy ny ainy
Omaly no nifarana ny fikarohana ireo olona tra-oza tany Soanierana Ivongo. "Tafakatra 15 ny isan’ireo olona maty tamin’ity loza ity...

...Olona folo kosa no velona ka misy amin’izy ireo no maratra mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly. Ny valo tamin’ireo maty dia olona nandeha namonjy ireo niharam-boina", hoy i Rasolofonirina Roland, tale misahanany fifamoivozana an-dranomasina eo anivon’ny ministeran’ny Fitaterana.

"Tamin’ny 12 ora antoandro ny alahady no tokony niala tany Sainte Marie, ny ministra Nadine Ramaroson sy ireo niara-dia taminy. 10 minitra nialoha ny fiaingana anefa dia mbola nitafa tamin’ny fikambanan’ny vehivavy izy. Nilaza taminy izahay fa 10 minitra ihany no tokony hifampiresahan’izy ireo. Tsy niainga anefa ilay sambo raha tsy tamin’ny 2 ora mahery tolakandro", hoy ny fitantaran’ny mpikarakara ny Festival Tsolabe, tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray.

Natsangana ny komity manokana misahana ny famotorana ity raharaha ity, omaly izay misy ministera maro. "Hijery ny antony marina naha-tonga ny loza no tena nananganana io komity io. Eo ihany koa anefa ny tokony hanatsarana ny fifamoivoizanna an-drano-masina", hoy ihany ity tompon’andraikitra ity.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar