Misy raha ao

Loza faran’ny herinandro : Zaza iray maty tao anaty garazy, fiara iray nitsoraka tany Ikopa

Mardi 9 Août 2011

Zazakely roa taona no tra-doza tao anaty garazy omaly teny Anosizato rehefa nodonin’ilay fiara hiditra tao anatin’ilay garazy ny rindrina ka nianjera.

Tonga teny amin’ny hopitaly ihany ilay zaza saingy tsy tana ny ainy.

« Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva teo rehefa hampiditra ilay fiara ny tompony no nitranga ny loza. Tany amin’ny lohan’ilay zaza angamba no nisy voadona satria nivoaka rà ny orony no sady pempo. Zanaky ny mpiambina ilay garazy ihany ilay zaza », hoy ireo mpitsabo nanao izay azony natao tamin’ny fanavotana ilay zaza teny amin’ny Hjra.

Tsy nino ny fahafatesany mihitsy ny reniny. Tsy latsaka ny intelo torana izy omaly raha vao nahalala ity vaovao mampalahelo ity. Nigogogogo nitomany nanerana ny hopitaly no nataony noho ny alahelony. Hany herin’ireo olona niaraka taminy dia nitondra azy niala ny hopitaly mihitsy, omaly hariva.

Ny sabotsy teo kosa dia vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza, araka ny fampitam-baovao. « Fiara Peugeot 405 iray nifanenjika tamin’ny fiara iray hafa no nilatsaka tany amin’ny ranon’Ikopa teny Ankazobe, Alasora, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Olona telo no tao anatin’ilay fiara ka ny iray no maty tsy tra-drano. Ireo ambiny kosa naratra mafy », hoy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar