Misy raha ao

Loza mahatsiravina : Lehilahy 87 taona maty nohosihosen’ny kamiao

Vendredi 1 Juillet 2011

Loza mahatsiravina no nitranga teny Ampitatafika, omaly maraina.

Kamiao lehibe iray, irony mitarika irony, no nahahitsaka lehilahy lehibe iray efa 87 taona. Tao ambany kodiaran’ilay kamiao mihitsy ny lohan’ilay rangahy. Maty tsy tra-drano ary niparitaka teo amin’nyarabe ny atidohany. Tsy fantatra izay tena anton’ny loza. Notanan’ny zandary kosa ny mpamily ilay kamiao. « Tokony ho tamin’ny 11 ora no niseho ity lozam-pifamoivoizana ity.

Andeha hiakatra ilay fiara teo ambony tetezana Ampitatafika no nianjera tao ambany kodiarana ilay lehilahy lehibe. Ny vatany taty ivelan’ny fiara fa ny lohany avy hatrany dia nivantana tao ambany kodiarana aoriana. Olona nihiaka niantso no nanaitra ilay mpamily. Efa voahitsaka ilay lehilahy tamin’io », hoy Ravao, mpivarotra ananananatri-maso ny fisehoan-javatra.

Mpivarotra lasopy no asan’io rangahy lehibe io. « Andeha hividy entanaizy izao tra-doza izao. Tsy fantatro kosa anefa na nisotro toaka izy tamin’io na tsia », hoy ny vadin’ilay lehilahy lehibe no sady latsa-dranomaso. Eny Ambohidrazana- Atsimombohitra no monina Ratompokolahy Rakotozanany. « Tsy nisy nahalalana azy intsony ity niharan-doza ity taorian’ny loza. Potika tanteraka ny lohany. Ny akanjo nanaovany sisa no nahafantaranay azy », hoy ireo fianakavian’ny maty.

Taorian’ny loza dia nanatona avy hatrany ny tobin’ny zadary eny Ampitatafika ny mpamily ilay kamiao. Anio no fantatra fa hatolotra ny Fitsarana izy, miaraka amin’ny antontan-taratasy. « Aorian’ny fadevenana kosa vao hatao famotorana ny fianakavian’ny maty », hoy avy amin’ny zandary.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar