Misy raha ao

Loza teny Ambohimangakely : tsy nisy velona ireo olona 7 tao anaty fiara 4x4

Samedi 26 Février 2011

Omaly tamin’ny 4 ora maraina no namoy ny ainy teny ami’ny hopitaly Hjra Ravoniandro Ratsifandrihamanana Harisoa, 18 taona.
Tsy nisy velona araka izany ireo olona fito nandeha tamin’ilay fiara 4X4...
Tsy nisy velona araka izany ireo olona fito nandeha tamin’ilay fiara 4X4...

Izy ilay mpandeha farany tao anatin’ilay 4X4 nodomin’ilay kamiao teny Ambohimangakely ny sabotsy teo, ary zanak’izy mivady efa namoy ny ainy andron’ny loza. Tsy nisy velona araka izany ireo olona fito nandeha tamin’ilay fiara 4X4.

« Fahavoazana tany amin’ny ati- doha noho ny dona mafy no voalaza fa nahafaty an’ity tovovavy ity. Tsy nahatsiaro tena izy taorian’ny fotoana nisian’ny loza rehetra tonga teny amin’ny hopitaly Hjra. Hatramin’ny fotoana nahataperan’ny ainy mihitsy dia tsy nahatsiaro intsony izy na teo aza ny ezaka rehetra nataonay », hoy ny mpitsabo iray amin’ny sampana famelomana ainaetsy amin’ny Hjra.
Isan’ireo maty tamin’iny loza iny ihany koa ny ray aman- drenin’ity tovovavy ity. Teny an- dalana ho eny amin’ny toeram- pitsaboana no namoy ny ainy izy mivady, izay niaraka tamin’ny zanany ity tao antin’ny ilay fiara 4X4, avy namonjy lanonana teny Ambohimalaza. Fahoriana mafy no nidona tamin’ny fianakaviana, satria omaly ihany koano nalevina ny ray aman- drenin’io tovovavy maty io.
Raha tsiahivina ny loza nitranga ny sabotsy teo dia fiara 4X4, rehefa avy nijanona tamin’ny sisin- dalana nonofaohin’ny kamiao iray avy aty an- drenivohitra. Araka ny fantatra teny anivon’ny zandary dia « noho ny fisian’ny 2Cv iray nijanona ka somary nibahan- dalana no nahatonga ny loza. Voalaza mantsy fa niala io fiara io ilay fiara 4X4 nijanona tery am- pita ».

Ny talata teo no natolotra ny Fampanoavana ireo mpamily roa, an’ilay kamiao sy ilay fiara 2Cv. Naiditra am- ponja vonjimaika avokoa izy roa lahy ireo taorian’izany.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar