Misy raha ao

Lozam-Pifamoivoizana : Fiara tsy mataho-dalana namono olona roa

Mardi 31 Janvier 2012

Fiara tsy mataho-dalana iray, nentina vehivavy avy any Ambohijanahary hiakatra aty Antananarivo, voalaza fa nandeha mafy no sendra zaza nanapa-dalana tampoka teo Amboaroy, Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.

Nanoloana ny trano fivarotan’ny Homéopharma, ny sabotsy teo amin’ny 9 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany. Niala ilay zaza ilay mpamily, ka nandona ny tranon’ny Homéopharma. Nianjera tamin’ireo olona efatra mpandeha an-tongotra, teny amin’ny sisin-dalana ilay trano. Novonjena teny amin’ny hopitaly Loterana ny olona telo. Ny iray tamin’izy ireo, vavikely vao 9 taona. Vokatry ny dona nahazo azy, dia tsy tana ny ain’ny iray. Nisy iray koa nentina haingana teny amin’ny Hjra. Tsy nahazaka ny ratra nahazo az koa ity olona faharoa ity ka maty. Olona roa izany no maty tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity.

« Noho ny hafainganam-pandehany dia voatery nisafidy ilay mpamily na manitsaka ilay zaza nanapa-dalana tampoka na nandona ilay trano. Nalefany tany amin’ilay trano ny fiarany ka rava sy nianjera tamin’ireo olona nandeha an-tongotra, tsy manana ahiahy, izany. Nianjera ilay trano ka izay no nandratra azy efatra ireo », hoy ny lehilahy iray nanatri-maso ity tranga ity. Potika be ny lohan’ilay fiara vokatry ny nandonany ilay trano.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar