Misy raha ao

Lozam-pifamoivoizana : Fiara 309 nivadika tao an-kady teny Andrainarivo

Lundi 3 Octobre 2011

Nivadika ambony ambany mihitsy ity fiara Peugeot 309 iray, omaly, tamin’ny 9 ora maraina. Nikodiadia nianjera tamin’ny hantsana amin’ny sisin-dalana havia amin’iny fiakarana mihazo ny Mausolée eny Andrainarivo iny ity fiara ity.

« Tsy nety tafiditra ny vetesiny ka nisafidy ny hanao dia mianoatra niverina nidina moramora ny mpamily ilay fiara. Diso nahazo sisin-dalana loatra anefa, ka nanitsy tany an-kady. Tsy nahatazona azy ny fefy bararata teo amin’io sisin-dalana io ka nivadibadika nianjera tany ambany tany ilay fiara », hoy i Misivavy Jeanette, mpivarotra sakafo masaka eo akaikin’io toerana io.

« Ny mpamily irery no tao anatin’ity fiara ary teo amin’ny tarehiny no misy naratra. Nisy lehilahy iray sendra nandalo voafaokany ka naratra koa », hoy ity vavolombelona ity. Dimy metatra sisa ny elanelana tsy nifatraran’ilay fiara tamin’ny tafon-tranon’ny olona monina eo ambanin’ilay toerana nianjeran’ilay fiara.

« niezaka nanarina ilay fiara sy nanapaka ny herinaratra taminy avy hatrany izahay sao sanatria mipaoka na mirehitra », hoy ny mpamonjy voina tonga teny an-toerana.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar