Misy raha ao

MAMODTAKY : Vao mainka nalenitky ny mpitsikilo

Mardi 16 Novembre 2010

Navoakan’ny Mpitsara tany Frantsa ny zoma teo ny tatitra avy amin’ny mpitsikilo miafina na « detective privé », izay teratany renioney, nokaramain’ny fiankavian’i Mamodtaky, hanara-maso tamin’ilay raharaha vono olona teny Fenoarivo.
Nokaramaina ity mpitsikilo miafina ity mankany Antsirabe hanamarina raha tany Antsirabe marina i Mamodtaky, ny 22 avrily 2001, fotoana nisian’ny fitifirana teny Fenoarivo. Niala maina anefa izy araka ny tatitra nomeny ny mpitsara.
Mbola nokaramaina indray izy hanao izay fomba rehetra hitadiavana porofo entina ilazana fa olona maloto fitondran-tena i Anita, vadin’i Mamodtaky teo aloha. Namana akaiky an’i Anita mihitsy no nanaporofo tamin’ilay mpitsikilo fa tsy mahita zava-dratsy amin’io vadin’i Mamodtaky io.
Taorian’izay dia nasain’ny fianakavian’i Mamodtaky hikaroka porofo indray amin’ny fifandraisana amin’ny mpitandro ny filaminana iray tany La Réunion, izay miandraikitra ny Raharaha Mamodtaky sy i Anita ilay mpitsikilo, saingy tsy nahitam-bokany avokoa izany. Tsy nahaloa-peo i Mamodtaky rehefa naheno izany rehetra izany.

Faralala
Ginette Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar