Misy raha ao

Mandilaza Ankadifotsy : Zazalahy 15 taona hita faty nihantona tao an-dakozia

Mardi 5 Juillet 2011

Ny sabotsy teo no nisehoan’ity tranga mampalahelo iray ity teny Mandilaza-Ankadifotsy.

Zazalahy vao 15 taona monja no hita faty nihantona tao an-dakozia. Mianatra amin’ny sekoly iray eny Andravoahangy ambony ity farany ary vao avy nianatra indrindra izy tamin’io sabotsy io no nandalo tao amin’ny reniny, izay mivarotra eo an-tsenan’Androavoahangy.

Nomen-dreniny vola hisakafoanana izy, nefa efa naharitra ela tsy mbola niverina ihany ka narahin-dreniny nojerena tany an-trano. Nanokatra ny trano izy nefa tsy nahita ilay zanany ary nandeha nisava tany an-dakozia avy eo.

« Vao nosokafan-dreniny ny lakozia dia akory ny hatairany fa nihantona tamin’ny tady nylon, efa mitolefika, toy ny mandohalika, ilay zanany », hoy Rakotosoa Maurice, sefo fokontany, nitantara. Novonjena nentina haingana tany amin’ny dokotera ilay zaza fa tsy nisy azo natao intsony.

Nampandrenesina ny polisy ao amin’ny boriborintany fahatelo, ka nandefa mpanao famotorana teny an-toerana. Mbola tsy misy mipika izay famotorana izay, fa ny eo anivon’ny fianakaviana dia misy ihany ny miahiahy fa namono tena ity zatovolahy ity.

« Tratra nifoka sigara tany am-pianarana izy, kanampiantso ny ray aman-dreniny ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly amin’ny alatsinainy (anio). Mety ho tahotra izany angamba no nahatonga azy nanao izao fihetsika izao. Izy anefa zaza tena marani-tsaina ary voalohany foana any am-pianarana », hoy ny iray tamin’ny fianakaviana.

Voalaza fa efa nisara-toerana ny ray aman-dreniny ka ny reniny no namelona sy niantoka azy.

Barphil Andriantsiferanarivo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar