40 taona amin’ny volana novambra izao ity raim-pianakaviana ity. Izy ilay antsoin’ny polisy hoe Magnifique. Efa nisara-bady izy ary 17 taona no zokiny indrindra amin’ny zanany raha telo taona kosa no kely indrindra. "Tsy maintsy izaho izany no hiezaka hitady vola hamelomana ireo zanany ireo satria izy ihany no zanako. Efa nisara-bady ihany koa aho", hoy ihany ilay reniny manodidina ny 60 taona, izay kilemaina ny tongony havanana.
Mikasika an’i Beloha indray dia i Barijaona no tena anarany. Voalaza fa manana toerana fitrandrahana volamena any Maevatanana izy ary manam-bady sy zanaka araka ny fitantaran’ny havany, izay tonga nijery azy teny amiun’ny tranom-paty, omaly, saingy tsy fantatry ry zareo izay tena fiainany. "Indrindra mandeha isan-taona no ihaonanany raha be indrindra, fa samy manana ny fiainany. Mamita ny adidiny amin’ny fianakaviana kosa izy aloha raha mandre. Ny vaovao tamin’ny televiziona no nahafantaranay fa izy ilay maty voatifitry ny polisy. Mahamenatra ny miteny betsaka amin’ny toe-draharaha toy izao", hoy ny anabaviny. Hatreto kosa dia tsy mbola nipoitra ny fianakavian’ilay voatifitra fahatelo.
Amin’ny maha Malagasy dia hamita ny adidiny farany amin’ity havany ireo mpiraitampo ka handevina azy any amin’ny fasan-drazana. "Tokony tsy hanahy ny rehetra fa rehefa misy ny maty dia tsy maintsy misy ny famotorana mikasika iny", hoy ny contrôleur général Rakotondratsima Désiré Johnson, Tale jeneralin’ny polisim-pirenena.
BA/Faralala