
Isan’ireo arahintsika amin’izany ny fihaonan’ny All Blacks sy Tonga (9 septambra), izay hoentina hanokafana ny lalao sy ny fifandonan’ izy ireo amin’ny Frantsa (24 septambra). “Hanampy azy ireo ihany koa ireo lalao ampahefadalana sy ireo lalao hafa“, araka ny nambaran’i Fenohasina Rakotomalala hatrany.
“Tsy misy hampiasaina ny kianjaben’i Mahamasina amin’ity fa ho eny amin’ny tribune sy ny gradin ireo mpijery an’ireo lalao ireo“, hoy i Mamy Ramiarinarivo, talen’ny fotodrafitrasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Andrasana izay fomba hahafahan’ireo mpankafy ny taranja any ivelan’Antananarivo manaraka an’ity taranja ity.
Roméo Andriamihaja