Misy raha ao

Mozambika : Voatonon amin’ny resaka rongony i Chissano

Samedi 11 Décembre 2010

Joaquim Chissano
Joaquim Chissano

Tsy ny firenen-dehiibe ihany no mihorohoro amin’ny « wikiLeaks ». Navokan’ity tranokalam-pifandraisana vahiny ity fa manana ffandraisana amin’ny mpanao trafikana rongony ao Mozambika ity, ny Filoham-pirenena ankehitriny Armando Guebuza sy ny Filoham-prenena teo aloha Joaquim Chissano. Ity farany izay nitarika ny vondrona mpanelanelana iraisam-pirenena (Gic) tamin’ny krizy teto Madagasikara.
Raha ny vaovao navoakan’ny tranokala Lemonde.fr, avy amin’ny loharanom-baovao « wikiLeaks » ihany, dia mifandray tendro amin’ireo lohandohan’ny mpisorona amin’ny mpanao trafikana rongony ao Mozambika, toa an’i Mohamed Bachir sy Ghulam Rassul, iretsy olobe ra iretsy. Voalaza ho isan’ny loharanom-bolan’ny antoko politikan-dry Chissano mihitsy aza ny vola avy amin’ireo mpanao varomaizina zava-mahadomelina ireo. Fantatra fa diplaomaty amerikanina, miasa ao Mozambika, no nandefa telegrama dipalomatika namoaka ireo vaovao ireo, ary azon’ny « WikiLeaks ».

A R
Ginette Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar