Misy raha ao

Nalefa eny tsiafahy : Sarona i Voay, jiolah y mpanafika an’Antananarivo

Jeudi 23 Décembre 2010

Nalefa eny tsiafahy : Sarona i Voay, jiolah y mpanafika an’Antananarivo

« I Voay na Tatasoatia Angelison no isan’ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra. Izy no isan’ireo nanafika « quincaillerie » iray tetsy Isotry, ny volana jona. Ny namany roa lahy no tratra tamin’io fa tafatsoaka kosa izy », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary.
Tamin’io fotoana io dia nahazo lelavola 10 tapitrisa ariary izy ireo. « Efatra ireo jiolahy no niaraka tamin’io ka isan’izany i Marianot, ilay maty novonoin’ny fokonolona tany Ambanja andro vitsy lasa izay. Basy « kalachnikov » telo sy basy poleta roa no netin’izy ireo tamin’izany », hoy ihany ny avy amin’ny zandary.
Teny Analakely no voasambotry ny zandary eny Fiadanana i Voay, ny 17 desambra rehefa nokarohina hatramin’ny ela. Rehefa nosavaina ny tranony teny Anosipatrana dia nahitana bala-na « kalachnikov » iray, bala 9 mm ho an’ny basy poleta miisa telo, bala-na basy « 22 long riffe » miisa sivy ary ody gasy anaty tavoahangy maromaro. Omaly no natolotra ny Fitsarana i Voay ary nampidirina vonjimaika eny Tsiafahy.

Faralala
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar