Misy raha ao

Nohenjehina teny Ivato i Ahmad, filohan’ny FMF

Samedi 15 Janvier 2011

Nikatona ny rano, tsy ireo mpikambana ao aùin’ny birao mpîtantana ny Komity olympika Malagasy, omaly teny Mahamasina, fotana saika anaovana ny fivoriana nampanantsoin’ny Kom, Mamy Rakotoarivelo.


Voatery nohenjehina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato mihitsy I Ahmad, filohan’ny Fmf sady filoha lefitry ny Kom, izay efa miandry ny sidina makany Zambia. Tao amin’ny Ela-bola Ivato, araka izany no nanaovana ny fivoriana. Nodinihina tamin’izany ny fomba hoentina manantanteraka ny fifidianana amin’ny 18 Janoary , araka ny tetiandro napetraky ny Kom.

“Tsy maintsy hotanterahinaio fifidianana io na inona na inona miseho”, hoy ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo filohan’ny federasiona.

“Taratasy fampiantsoana hivory no azonay avy amin’ny Kom, ka nahatonga anay hanatrika izany. Tsy mba nandefa taratasy fanafoanana izany akory izahay”, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko, filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo, sady isan’ireo kandidà hirotsaka amin’izany rafitra izany.

“Ny filohan’ny Kom ,o ,ampita afatra tamin’ny olona iray fan oho ny raharaham-pirenena doa voatazona any izy ka tsy afaka manatrika izany fivoriana izany”, hoy I Jean Michel Ramaroson, filohan’ny federasiona malagasin’ny basket, isan’ireo efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy koa fa “hilatsaka hofidiana eo amin’ny toeran’ny Kom”.

Ny sekretera jeneralin’ny Kom, Solofo Barijaona Andrianaivomanana, kosa dia efa tsy eto an-toerana fa lasa any Lausanne, araka ny tsilian-tsofina. Izy no tokony hitarika ny fivoriana teto rehefa tsy eon y filoha.

R.A.
Vola Rasoamanana

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar