Misy raha ao

Olan’ny Mpitsara : Polisin’ny Fip nalefa any Toliara

Vendredi 16 Décembre 2011

Nandray fepetra ny avy amin’ny polisim-pirenena taorian’ny tranga nahafaty mpitsara iray tany Toliara; tsy navela hitana basy intsony ireo polisy voasaringotra amin’iny raharaha iny.

Nidina any an-toerana kosa ireo polisy avy amin’ny Fip 25 hanatevina ireo namany. Afak’omaly dia vavolombelona enina no efa nohenoin’ilay vaomiera manokana najoro hanao famotorana ity raharaha ity, ka ahitana mpitsara roa, zandary telo ary polisy efatra.

“Hanatevin—daharana ireo namany aty an-toerana no anton-dian’ireo polisy ireo. Hanamafy ny fitandroana ny fandriam-pahalemana no ataon’izy ireo eto Toliara. Misy ny fihodinana ny tanàna atao na andro na alina. Tamin’ny alahady no nahatongavan’izy ireo”, hoy ny contrôleur général Rakotondratsima Désiré Johnson, Tale jeneralin’ny polisim-pirenena izay any Toliara mandray an-tanana ny fibaikoana mivantana ireo polisy.

Araka ny fanatatra dia efa hatramin’ny afak’omaly no amperinasa ny vaomiera manokana najoro hanao ny famotorana mikasika ny nahafaty ilay mpitsara Rehavana Michel.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar