Misy raha ao

Olan’ny mpitsara sy ny polisy : Voarohirohy 103 voatery navotsotra, 600 hafa mbola notanana

Mercredi 21 Décembre 2011

Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina omaly, no nanomboka tonga tsikelikely teny Anosy ireo fiaran’ny mpitandro ny filaminana nitondra ireo olona hatolotra ny Fitsarana teny Anosy.

Tamin’ny 10 ora sy 45 minitra no rakotra mpitandro ny filaminana teo anoloan’ny varavaran’ny lapan’ny Fitsarana izay nikatona. Nihaona tamin’ny mpitsara ny tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana, ka ny famotsorana ireo izay tsy voarohirohy amina heloka bevava no baiko azon’izy ireo.

Olona 103 no efa navotsotra, omaly. « Heloka tsotra avokoa no maha voarohirohy ireo olona ireo. Rehefa misokatra ny Fitsarana dia tsy maintsy hantsoina indray izy ireo. Mamaly ny fiantsoana moa izy ireo dia arahaba soa arahaba tsara raha tsy tonga indray dia voatery averina ny fikarohana », hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard, lehiben’ny fari-piadidiam-paritanin’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo.

Etsy andaniny dia mbola misy olona manodidina ny 600 eo no tsy mbola navotsotra. « Tsy hisy fandriampahalemana intsony eto an-drenivohitra raha ireo olona ireo no omena fahafahana. Miandry ny fampanantena avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana izahay izay nanome 24 ora mba handraisan’izy ireo andraikitra », hoy hatrany ny jeneraly Ravalomanana Richard.

Iray amin’ireo voakasik’ity fitanana olona maharitra any amin’ny Zandarimaria ity ramatoa Bakoly, izay tonga teny Anosy omaly nanantena fa ho votsotra ny zanany lahy roa. « Efa 15 andro izao no nahavoatana azy ireo tany amin’ny Zandarimaria, any Itaosy. Efa nohalavaina telo andro indroa miantoana ny fitanana azy. Izao ity tsy mbola fantatra izay ho fiafarany », hoy ity renim-pianakaviana ity.

Voalaza fa mbola ny mpitandro ny filaminana hatrany hatreto no miantoka ny sakafon’ireo olona voatàna ireo.

Faralala sy BA
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar