Misy raha ao

Oniversite Ankatso : Fatin- dehilahy natao tao anaty gony

Mardi 15 Mars 2011

Lehilay iray manodidina ny 30 taona no hita faty natao anaty gony ary nariana tamin’ny tatatra amin’iny tanimbary, teny akaikin’ny sampam-pianarana Agro Ankatso iny. Nihosin-drà ilay razana no sady naratra ny tratrany sy ny tanany.

Tsy misy mahalala ity lehilahy ity ny teo amin’ny manodidina.

« Tovolahy mpaka vilona no nampandre anay tety. Nisy mpifankatia izay koa tsy lavitra teo. Tokony ho tamin’ny 2 ora teo io tranga io. Nofonosina gony ilay razana dia nalatsaka tao anaty tatatra. Raha ny fijerinay azy dia razana nentina ilay izy dia nariana taty », hoy ny mponina iray tsy lavitra ilay toerana nahitana ny razana.

Somary mainty fihodirana ity lehilahy ity. Mbola hita niaraka taminy ny akanjo bà niloko maitso heverina fa mety ho nanaovany, satria feno rà tanteraka. Nisy gony iray hafa ihany koa tsy lavitra teo. Mbola tao anatin’ny faritry ny oniversite no nahitana ity razana ity. Tsy mbola nisy mihitsy aloha ny ahiahiana amin’ity vono olona ity, satria raha tsy niniana natao tsy ho nisy nanary tahaka izao io razana io. Andrasana ny famotorana sy fanadihadiana.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar