Misy raha ao

RAHARAHA BANI IVATO : Miandry hatao famotorana eny Ivandry ny Pr Zafy Albert

Mardi 30 Novembre 2010

Tsy nilefitra tamin’ny heviny. Miandry ny famotorana azy eny amin’ny trano fonenany, eny amin’ny villa La Frachise Ivandry, ny Pr Zafy Albert. Voatonontonona amin’ny raharaha « fiokona »nataon’ny manambononahitra vitsivitsy, teny amin’ny Bani Ivato, ny tenany saingy tsy namaly ny antson’ny zandary tokony haka am-bavany azy tetsy Ankadilalana.
« Izy ireo no tokony hanatona ahy ety amin’ny trano fonenako ary efa miandry izany famotorana izany aho. Tsy izany mihitsy mantsy no tokony hanerena ahy ho eny Ankadilalana satria tsy tokony hisy ny hoe fanerena olom-panjakana hanao izany », hoy ny Pr Zafy Albert omaly.
Manoloana izany anefa dia fepetra henjana no mety horaisin’ny Fitsarana mikasika ity fampiantsoana ireo olona voarohirohy, indrindra mpanao politika, tamin’ny raharaha Bani Ivato ity.
« Efa mahafantatra ny andraikiny ny Zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana eny amin’ny Fitsarana mikasika io raharaha io. Rehefa tsy mamaly ny fiantsoana azy ireo olom-panjakana ireo dia tsy maintsy hisy ny fiantsoana henjakenjana kokoa », hoy ny fanazavan’ ny minisitry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa, omaly.
Fanambarana izay midika ny mety ho fampiarana ny didy mampaka ny Filoha Pr Zafy Albert sy ireo olona hafa toy ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo, eny amin’ny trano fonenan’izy ireo avy.
« Raiamandreny lehibe sady efa Filoham-pirenena ny Pr Zafy Albert ka tsy maintsy hatao ara-dalàna ny famotorana azy fa tsy azo ataotao foana akory », hoy kosany kly Richard Ravalomanana, lehiben’ny Cirgn, raha niresaka momba ny fanadihadiana ireo voarohirohy tamin’ny raharaha fikomiana miaramila teny amin’ny Bani Ivato tetsy Ankadilalana izy, tamin’iny herinandro lasa iny.

J R
Ginette Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar