Misy raha ao

Raharaha 7 febroary : Voaheloka higadra mandra-pahafaty indray ry jly Raoelina

Samedi 9 Juillet 2011

Taorian’izay dia niroso tamin’ny fiarovan-tenany ny jly Raoelina Jean...
Taorian’izay dia niroso tamin’ny fiarovan-tenany ny jly Raoelina Jean...
Omaly ihany dia nivoaka ny didy mikasika ilay raharaha vono olona nanoloana ny lapan’Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2010 manameloka ireo voampanga telo ahitana ny jeneraly Raoelina…

… ny kolonely isany Jadifara sy Andriamihoatra hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty.

Nolavin’ny Fitsarana avokoa ny fangatahan’ny Me Razafimanantsoa Hanitra, mpisolovava an’ireto farany ny amin’ny tokony hamelana handeha aloha ny fampiakarana ny raharaha any amin’ny Fitsarana fandravana nataon’izy ireo mikasika ny didim-pitsarana efa navoakan’ny Fitsarana ady heloka bevava, tamin’ny volana aogositra 2010 io. Ankoatra izay ihany koa dia nandroso ity mpisolovava ity fa tokony hisy ny taratasy avy amin’ny minisitry ny Foloalindahy ahafahana manao famotorana an’ireo voampanga amin’ny maha miaramila azy ireo.

Niaro tena ora roa

Naroso ihany ny Fitsarana na teo aza izay fangatahana izay. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fiarovan-tenany ny jly Raoelina Jean. Nanomboka tamin’ny 10 ora sy sasany io ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 1 ora latsaka folo minitra. « Efa tsy tao Ambohitsorohitra intsony aho fa efa nivoaka taty ambany no nisy ilay tifitra tamin’ny 7 febroary. Tokony hantsoina ny jeneraly Randriamamory Alain, Talen’ny fiarovana teo anivon’ny fiadidiana ny Filoham-pirenena tamin’izany fotoana sy ireo tompon’andraikitry ny filaminana tamin’ny fotoan’andro mba hahafahana mahita ny marina mikasika ity raharaha ity », hoy ny voampanga.

Tsy nisy naharesy lahatra ny mpitsara anefa izay fiarovan-tena izay, ka izao niafara tamin’ny fanamelohana izao indray.

Nilaza ny hangataka fandavana ny didy ny mpidolovava ireto manamboninahitra ireto.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar