Misy raha ao

Raharaha Vatosoa : Tsy hita ny telo tamin’ireo Gineanina voarohiroy

Mercredi 12 Octobre 2011

Araka ny loharanom-baovao dia anio no hatolotra ny Fitsarana voakasik’ilay raharaha vatosoa tratra tany Antsirabe, ny 2 oktobra teo.

Andro vitsyizy ireo no voatana am-ponja tany Antsirabe taorian’ny fanolorana ny raharaha teny amin’n Fampanoavana. Nahazo fahafahana vonjimaika ry zareo nony avy eo. Nisy indray ny didy fampisamborana avy amin »ny Fampanoavana teto Antananarivo, ka izao nosamborina izao indray ireo.

« Mbola ny telo tamin’ireo Gineanina enina aloha no voasambotra tamin’ny faran’ny herinandro. Izy enina anefa no namoahana didy fampisaborana. Tsy maintsy karohina ny sasany satria ny zoma teo izy ireo no nahazo fahafahana vonjimaika tany Antsirabe », hoy ihany ity loharanom-baovao ity.

Taorian’ny raharaha ady heloka naha voarohirihy azy ireo dia ny fandikan-dalàna eo amin’ny fitrandrahana sy fanaovana raharaha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany tsy nahazoana alalana no mety hanenjehana azy ireo indray.

Mety hahazofahafahana ihany koa anefa izy ireo anio. « Afaka mandoa lamandy saran’izany fandikan-dalàna izany izy ireo dia mahazo fahafahana », hoy ny mpisolovava iray. Raha tsiahivina dia mitovy amin’izany ihany koa no nataon’ireo Gineanina telo hafa tratra teny Andavamamba, andro vitsy lasa izay. Efa nahazo fahafahana izy ireo rehefa nadoa lamandy tamin’ny fanjakana.

Mihevitra ny mbola hanao famotorana ireto voarohirohy ireto ihany anefa ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany, araka ny efa nambaran’ny lehibeny.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar