Misy raha ao

Raharaha baomba teny Masay : Voatazona Rakotoarivelo

Jeudi 17 Mars 2011

Nantsoin’ny sampana fiarovana ny lafin-tany na ny DstB teny Ambohitsorohitra omaly i Mamy Rakotoarivelo, mpitarika ny ankolafy Ravalomanana.

Omaly ihany dia notazonina ity mpanao politika ity, noho ny raharaha fanapoahana baomba teny Marais Masay, ny 3 marsa lasa teo, izay voalaza fa nikendrena ny fiara nitondra ny filohan’ny Hat, Andry Rajoelina. Anio ihany dia atolotra ny Fampanoavana i Mamy Rakotoarivelo sy ny olona roa hafa.
Ireto farany, izay antsoina hoe Tsimba sy Misa izany, no navoakan’ny famotorana fa nantsoina nanao ilay fitaovana « convertiseur » nampiasaina tamin’ny fanapoahana ilay dynamita teny amin’ny lalan’ny farihy Masay. Nitantara ho nahazo sy voakaraman’i Mamy Rakotoarivelo izy roa lahy ireo.

Ar 10 tapitrisa

Ny zoma 25 febroary no fantatra fa fotoana voalohany nihaonan’ny roa tonta teny Behoririka teny, ka nambaran’ny iray tamin’izy roa lahy ireo fa fiara 4x4 mainty no nentin’iry mpitarika ny ankolafy Ravalomanana iry, talohan’ny nifampiresahan’izy ireo. Ny 28 febroary kosa no nifanarahana fa hanomezana ny vola Ar 10 tapitrisa. Nisy vodiondrim-barotra Ar 100 000 nomena an’i Tsimba. Ar 50 000 kosa no azon’i Misa.

Nentina teny amin’ny farihy Masay izy roa lahy ireo nanao fanandramana ilay fitaovana. Ny tselatra naterak’izy io no nanapoahana ilay dynamita saingy somary kely loatra ka tsy nahavita izay nokendrena taminy, ny alin’ny 3 marsa 2011.

Mbola karohina ny mpamily sy mpiambina an’i Mamy Rakotoarivelo ary olona iray antsoina hoe Alain amin’ity raharaha ity. Ny Me Hanitra Razafimanantsoa no miaro ity mpanao politika ity.
Anio ihany koa no fantatra fa hatolotra ny Fampanoavana ny vokatry ny famotorana, nataon’ny zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana, mikasika ity raharaha ity hatrany.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar