Misy raha ao

Raharaha fakana an-keriny : Norahonan’ny olona ny zandary ao Ankazobe

Lundi 28 Février 2011

Misamboaravoara ny fiarahamonina any Ankazobe. Taorian’ny fisamboran’ny zandary ireo olona telo voarohirohy tamin’ny fakàna an-keriny ny zanaka zandary iray tany an-toerana, ny 21 febroary lasa teo, dia nandrahona ny hamaly faty ireo mponina tao Ankazobe.

Naiditra am-ponja daholo kosa ireo voasambotra. « Afak’omaly no nosamborina ireo olona telo voarohirohy tamin’ity fakàna an-keriny ity. Natolotra ny Fitsarana izy ireo dia naiditra am-ponja vonjimaika. Teo anelanelan’izay dia nandrahona ny mponina sasany tao Ankazobe fa hamaly faty ny zandary, indrindra ho an’ireo izay monina ivelan’ny lakazerina. Efa voafehy anefa ny toe-draharaha noho ny ezaky ny lehiben’ny Kaompanian’ny zandary any an-toerana », hoy ny fanampim-baovao avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Raha tsiahivina dia nisy fetin’ny fikambanan’ny vehivavy vadina zandary tany an-toerana tamin’io fotoana io. Nilanonana ny tao an-tobin’ny zandary izy ireo. Nisy olona roa izay tsy nasaina anefa tonga tao amin’io fotoana io. Rehefa variana nikorana ny rehetra dia nivoaka moramora ireo roa lahy ireo. Ora vitsy taorian’io vao tsikaritra fa tsy hita ny ankizilahy iray 2 taona, izay zanaka zandary. Teo vao nokarohina ireo roa lahy.

Tratra ny iray tamin’ireto farany ary nanoro ny namany izy. Nosamborina io olona io izay tsy iza fa ny filohan’ny fokontany Morafeno ao Ankazobe ihany. Taorian’izay no nisamborana ilay fahatelo.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar